Ananambo

Publié le par hotsarovantsika.over-blog.com

ananamboNy Ananambo (Moringa Oleifera) izay afaka manadio rano dia hazo avy any Inde tamin’ny voalohany fa avy eo niparitaka nanerana ireo tany mafana ka anisan’izany Madagascar.Manana anarana maro samy hafa ny ananambo amin’ny teny malagasy : Ananambo, Anamorongo, anambo, felikambo, felika mironga, felinimirongo,…… mirongo.Nihanitombo ny fandinihana io hazo io ary nisy ireo niteny azy ho zavamaniry mahagaga. Izany dia tsy noho izy afaka manadio rano fotsiny ihany fa indrindra koa noho ny otrikaina betsaka entiny.Ampiasaina amin’ny fitsaboana nentim-paharazana ihany koa izy, ary afaka ampiasana hanaovana zezi-maitso.

 

Raha ampitahaina amin’ireo vokatra efa fantatra ny ANANAMBO dia hita fa :

 

  • Im-7 n’ny VITAMINE C ao amin’ny VOASARY ny ao amin’ny ananambo
  • In-4 n’ny VITAMINA A ao amin’ny KARAOTY ny ao amin’ny ananambo
  • In-4 n’ny SOKAY (CALCIUM) ao amin’ny RONONO ny ao amin’ny ananambo
  • In-3 n’ny VY ao amin’ny EPINARA ny ao amin’ny ananambo
  • In-3 n’ ny POTASIOMA ao amin’ny akondro ny ao amin’ny ananambo
  • Mitovy ny HERY FANORENANA (Protéine) ao amin’ny ananambo sy ny ao amin’ny RONONO
  • Ankoatr’izay dia mbola misy vitamineB, vitamine D

 

Ho an’ny zaza 1-3taona, ny fihinanana ravina ananambo lena 100g dia mitondra ny 50% n’ny filana amin’ny kalsioma, vy ary hery fanorenana ary 1/3 n’ny potasioma sy ny asidra mineraly tsy voavoatran’ny vatana (acides amines essentiels).

Ny fihinana ravina 20g dia mitondra ny 100% n’ny filana vitamina A sy vitamina C ho an’ny zaza.

 

 

FOMBA FITAHIRIZANA NY ANANAMBO

Sasana madio ny ananambo , mbola tsy miala amin’ny taho madinika, hakifika hiala tsara ny rano, dia atapy amin’ny toerana madio, ambony tsihy ohatra, atao amin’ny aloka misy fifamalian-drivotra. Avadika matetika mba tsy hisy bobongolo. Rehefa maina tsara dia sarahina amin’ny taho madinika ny ravina. Totoina ho lasa vovoka. Tehirizina anaty boaty madio sy misarona.

Eo ho eo amin’ny 20-40 % ny vitamina A eo fotsiny no voahazona raha toa ka hamainina amin’ny masoandro ny ravina, saingy 50-70 % kosa raha toa ka hamainina amin’ny maloka.”

 

 

FOMBA FAHANDRO NY ANANAMBO

 

salade 01Ananambo sy legioma miaro mangahazo

Mangahazo - Karaoty - Laisoa - Voatabia - Vinaigitra, sira, menaka - Ananambo

Andrahoina mitokana ny managahazo, atao teti-pohy.

sasana ny legioma dia tetehina. Afangaro ny saosy vinaingitra sy ny legioma ary ny ananambo manta, avy eo dia akambana amin’ny mangahazo. Asiana haingo voatabia.

 

 

 

 

Ananambo sy totom-boanjovoanjo 01

Ravin'ananambo voatoto - voanjo voatoto - saosy voatabia

 

Atao ny saosy voatabia, rehefa masaka dia arotsaka ny voanjo voatoto.

Farany dia arotsaka ny ravina ananambo na ny vovoka.

Publié dans Alimentation

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article